Kaominina Ambositra : notolorana fitaovana ireo fikambanan’ny mpiompy trondro

Notanterahina tamin’ny 24 desambra lasa teo, tao amin’ny Kaominina Ambositra, ny fizarana fitaovana ho an’ireo fikambanana mpiompy trondro. Lanonana izay natrehan’i Mahatante Paubert, mi­nisitry nyJono sy ny toekarena manga. Fikambanana mpiompy trondro miisa 10 eo no nisitraka izany. Fitaovana toy ny “moto-pompe”, “brouet­te”, “tuyau” ary sakafon-tron­dro, no nomena azy ireo tamin’izany.

Ny hetsika dia natao ha­natsarana hatrany ny velon-tenan’ireo mpiompy trondro sy hanatanterahina ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Naneho ny hafaliany avokoa ireo olona nisitraka tombontsoa, ka nisy solontenan’izy ireo nanolotra fisaorana sy fankasitrahana ny ministeran’ny Jono sy ny toekarena manga.

Marihina fa vokatry ny fiaraha-miasa amin’ireo mpi­a­ra-miombon’antoka, toy ny fikambanana misahana ny fampivoarana ara-pambolena (FDA), ny tetikasa Ampiana2, ary ny Fihariana no nahafahana nanao izao hetsika izao.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: