Fampandrosoana eny ifotony: hanatsara ny fitantanana ny kaominina ny IGL

Hifarana rahampitso ny atrikasa tanterahina any Ampefy, ho fanohizana ny asa fanatsarana sy ho fanavaozana ny “Tondron’ny fitantanana ifotony – IGL”. Tafiditra ho amin’ny fampandrosoana ny kaominina izany.

Haroso hankatoavina eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) izany aorian’izao dinikasa izao. Misahana sy miandraikitra izany ny eo anivon’ny Sampana fanaraha-maso ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana ifotony (ODDL) miaraka amin’ny fanohanan’ny Unicef.
Efa nanomboka tamin’ny taona 2014 ny famolavolana ny IGL ka nojerena ny vokatry ny asa nataon’ireo kaominina tamin’ny fanatanterahana ny tsara tantana sy nanombanana ireo teboka mila ahitsy araka ny vokatra azo tamin’izany. Nivoatra anefa ny asa ka niova ho IGL 2.2 izany ny taona 2019 ary nahafahana nijery ny fifandraisan’izany amin’ny Tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy (ODD). “Nahafahan’ny fanjakana sy ireo ratsa-mangaikan’ny mpiara-miombon’ antoka ary ireo mpanohana nijery manokana ny fanomezana fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny kaominina izany”, hoy ireo tomponandraikitra tamin’izao atrikasa izao.

Hampiasain’ireo ben’ny Tanàna vaovao…

Iaraha-midinika amin’izany ny hanamorana sy hanamaivanana ny rijam-panontaniana, ny tsy fitanilana, ny fanavaozana ny rafitry ny IGL ary ny famerenana fandinihana izany indray koa.
Ho tonga eny an-tanan’ireo ben’ny Tanàna vaovao amin’ny taona 2025 ny IGL 3.0 aorian’ny fanaovana andrana eny ifotony sy ny fanitsiana farany tokony hatao, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra hatrany.

Synèse R.

Partager sur: