Ampefiloha Ambodirano : Fako 500 m3 nanentsina ny lakandrano

Andro aman’alina ny asa ataon’ireo ekipa isan-tsokajiny hanadiovana ny lakandrano sy ny tanàna hisorohana ny fiakaran’ny rano amin’ny fihavian’ny orana. Nanala ireo fako mitsingevana sy mavesatra teny amin’ny lakandrano amin’ny fokontany Ampefiloha Ambodirano ny MDAT tamin’ny alalan’
ny ekipa teknika Apipa, notronin’ny teo anivon’ny Boribo­rintany IV sy ny SMA.
Manodidina ny 500m3 ny fako nalana tamin’izany, nandrakotra ny lakandrano GR, manoloana ny Orinasa Gastro eny Andohatapenaka.
Kamio lehibe 5 no nivezivezy nibata sy nanatitra izany teny amin’ny fanariam-pakon’Andralanitra. «Pelle mécani­que» lehibe iray sy mpanala fako mihoatra ny 30 no nifarimbona nanala ny fako.
Hisorohana hatrany ny tondradrano eny amin’ny faritra iva sy ny mety hiparitahan’ny valanaretina izany.
Nanentana hatrany ny mponina rehetra mba hikajy ny lakandrano ny Apipa satria fananana iombonana ireny ary manampy amin’ny fivarinan’ny riaka mandritra ny fotoam-pahavaratra.

Tatiana A

Partager sur: