Ady amin’ny VIH: ilaina ny mitady mpamatsy vola fanampiny

“Efa azo fehezina ny tsimokaretina VIH amin’izao fotoana izao. Satria, maro ny tolotra ahafahana mifehy ny fiparitahana sy ny fifindran’ny tsimokaretina indrindra ho an’ ireo olona efa mitondra ny VIH”, hoy ny mpandrindra ny Ainga Aides, Dr Ravelohanta Mananarisoa, ao anatin’ny tetikasa Rafitra eny ifotony fanairana momba ny VIH (Sycavi), teny Ivato.
Rehefa zohina ny zava-misy, miha mitombo ny isan’ny olona mitondra ny tsimokaretina ka mila fandraisana andraikitra.
Antom-pisian’ny tetikasa ny fanaraha-maso mijery ny olana mitranga eny amin’ny tobim-pahasalamana sy ny fiarahamonina amin’ny fanadihadiana ireo olona mitondra ny tsimokaretina sy ny ireo vondron’olona iantefan’ny asa. Nisongadina fa misy fahatapahana hatrany ny fa­matsiana ireo kojakoja fiarovana, toy ny fimailo sy ireo ampiasaina amin’ny fitiliana. Ho an’ny fanafody ARV, efa nihatsara ny famatsiana fa tsy misy antoka 100% ny hitohizany satria miankina betsaka amin’ny mpamatsy vola ny fividianana ireo kojakoja ireo, araka ny fanazavany ihany.

Fanalahidin’ny ady amin’ ny VIH Sida ny fisian’ny kojakoja tsy tapaka ka tokony hojerena ny lalan’ny famatsiana rehetra hamantarana ny olana. Tokony hitady mpamatsy vola ankoatra ny Fonds mondial mpamatsy mahazatra koa ny fanjakana satria tsy maharakotra ny filana ny kojakoja fiarovana sy fitiliana ary ny ARV tonga, araka ny zavatra hita amin’ny asa.

Vonjy

Partager sur: