Fitantanana kaominina: nizara ny tsiambaratelony ny ben’ny Tanàna A. Parisoa

Iza izy ?
Andriambolanarivo Parisoa. Ben’ny Tanànan’i Imeritsiatosika. Mpankafy baolina kitra ny tenany. An­isan’ny fialamboly ankafiziny ny mijery horonan-tsarimihetsika sy ny mamaky boky. Tia ireo hira ilay antsoina hoe “Vazo miteny” sy ny hira milamindamina. Tiany avokoa rehefa sakafo malagasy.
Nanamarika ny fiainany ary anisan’ny nahafaly azy ny nafahany ny fanadinana CEPE. Fa teo koa ny nahavoafidy azy ho ben’ny Ta­nànan’i Imeritsiatosika, fe-potoam-piasana voalohany, nanomboka ny taona 2015. Na izany aza, anisan’ny nampalahelo azy ary tena nanamarika ny fiainany ny nahafatesan’ ny rainy.

Miady hatramin’ny farany sy niatrika…
Nianatra sy nandalina ny mo­mba ny “Sociologie”, na­ha­­zo­any ny “Master II”, ny “Géo­graphie” manao “Doctorat” .

Etsy andaniny, anisan’ny sedra mafy indrindra nandalovany ny nilatsahany ho kandidàn ben’ny Tanàna. “Na izany aza, ilaina ny manana toe-tsaina tsy nanaiky fa miady hatramin’ny farany niatrika ny zava-nisy”, hoy izy. Anisan’ny lesona tiany ampitaina ho an’ny tanora ny tsy tokony handinganana ny an-tanatohatra eo amin’ny fiainana. “Tsy tokony hirehareha amin’ny dingana na fahombiazana iray. Aleo mandeha tsikelikely sy miandalana fa tsy ho taitaitra na hikoropaka sy ho maika be amin’ny atao”, hoy ihany izy.

Olan’ny tany amin’ny tetikasa “Tanamasoandro”
Ankoatra izany, anisan’ny tsiambaratelony amin’ny fi­tan­tanana ny kaominina Ime­ritsiatosika ny fametrahana ny rariny sy ny hitsiny ho ambony sy zava-dehibe. Nam­ba­ra­ny koa anefa fa tsy hainy loatra ny momba ny tetikasan’ny fanjakana amin’ny fanorenana ilay tanàna vaovao “Tana­masoandro”. “Misy olana eo amin’ny resaka tany eo amin’ny vahoaka izy io”, hoy izy.

Fihainoana ny olana eny ifotony
Nomarihiny koa fa ani­san’ny olana eny ifotony amin’ny fampandrosona ny tsy fisian’ny politika ankapoben’ny fanjakana, mamaritra ny tena maika sy ny laharam-pahamehana. Na izany aza, nitondra vahaolana ny tenany. “Tokony jerena sy henoina ny eny ifotony. An­isan’izany ireo tantsaha. Ny lafiny famokarana, ny lalana, ny famoaham-bokatra sy ny vidin’izany. Eo koa ny famahana olana ny fahefa-mividin’ny tantsaha”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: