Fijoroan’ny vovonana : naneho ny fanohanany ny filoha Rajoelina ny VMMTF

Tsy hamela ny filoha hiady irery manoloana ny raharaham-pirenena. Nijoro sy nampahafantatra ny mom­ba azy tetsy Antaninarenina, omaly ny Vondrona maroloko mpanome tanana ny filoha (VMMTF). Nilaza ho efa mahenika ny faritra 23 izy ireo amin’izao fotoana izao ary efa miasa eny an-kianja. “Vehivavy vonona sy marisika ary sahy mijoro ho an’ny firenena izahay ireto. Sarotiny amin’ny fitiavan-tanindrazana sy ny hoavin’ny taranaka”, hoy ny filoha mitarika, Rasolofonoroni­aina Julia (Mishah). nanteriny fa hanelanelana ny fanjakana sy ny vahoaka izy ireo ary hanampy amin’ny fikaroham-bahaolana eo amin’ny roa tonta. hampirindra ny fiainam-pirenena, tsy misy takalony, araka ny nambarany hatrany.
Nohitsiny fa tsy ho tahaka ny sasany hanabotry firenena sy ho tia tena na hanala baraka ny fitondrana ny VMMTF. “Mianjera any amin’ny filoham-pirenena, tsy manantsiny hatrany ny rihitra rehefa miseho ny tsy fahatomombanana”, hoy izy.
Fiahiana sosialy noho ny fahantrana
Na izany aza, niantso ny firaisankinan’ny rehetra ity vondrona ity mba hanavotana ny firenena. Anisan’ny iantefan’izany ny mpanohana sy ny mpanohitra ny fitondrana sy ny sokajin’olona rehetra, tsy ankanavaka.
Tsiahivina fa anisan’ny hiompanan’ny tanjon’izy ireo ny fiahiana sosialy noho ny fahasahiranan’ny vahoaka sy ny fahantrany. Ilaina fifanohanana anefa izany, araka ny nambaran’izy ireo hatrany. Eo koa ny famelomana indray ny soatoavin’ny fahendrena sy ny fifankatiavana.

Synèse R.

Partager sur: