Mamboatra savony sy labozia : olona 2000 nahazo fiofanana

Safidy miainga avy amin’ny filan’ny olona no nanaovana ny fiofanana manamboatra savony sy ny labozia, omaly, teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, hoy ny minisitry ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline.
Betsaka ny tolotra avy amin’ny minisitera fa mila miseho kosa ireo olona vonona hiofana sy ny sehatra iriny hofehezina, araka ny fanazavany ihany. Tsy hijanona amin’ny fanamboa­rana labozia sy savony ny hetsika fa hiitatra amin’ny fanodi­nana voankazo, fanamboarana mofomamy ary hoentina any amin’ny faritra koa. Satria, betsaka ireo maniry hiofana. Tanjona tamin’ity fiofanana faobe ity ny hitondra fahadiovana sy fahasalamana ary hanampy ny fidiram-bola ho an’ny isan-tokantrano. 2000 mahery ireo nisoratra anarana, izay ahitana vehivavy sy lehilahy taratra fa te hioitra amin’ny fiainana ny Malagasy mba hahay zavatra.
Tsy nasiana fepetra ny fandraisana anjara fa ho an’ny daholobe na ireo tsy nianatra aza. Amin’ny teny malagasy ny fampiofanana izay narahana fampiharana hita maso. Havon­drona ireo mpiofana ary homena fitaovana hokirakirainy.

Vonjy

Partager sur: