Tsingerin-taona faha-50: hanao hetsika ny elatra MFM Rakotovazaha

Tratry ny fizarazarana na samy eo anivon’ny fanoherana aza. Hifamotoana etsy amin’ny hotely iray etsy Anosy, anio tontolo andro, ny elatra MFM, miara-dia amin-dRakotovazaha Olivier, filoha nasionaly vonjimaika. Hana­marika ny faha-50 taonan’ny antoko koa izy ireo. Hisy ny fotoam-bavaka sy fanehoana an-tsary ny lasan’ny “Ma­fa­na”, hatramin’ny niorenany amin’izany. Eo koa ny fijoroana vavolombelon’ny tantara. Ha­nampy izany ny “Donaka­fon’ny komity foibe faritra 24”. Mametraka ny teny faneva “Foin’ny Zanahary ho an’ny vahoaka tia fandrosoana ny tany sy ny firenena”.

Hetsika hafa miaraka amin’ ny vadin’i Malama…
Efa nialohavan’ny hetsika nataon’ny MFM, mpiandany amin’ny mpanorina Rakoto­nirina Manandafy, afakomaly kosa izany ho an’ny teto Antananarivo. Anisan’ny nanomana izany, ny vadin’i Mahery Lanto Manandafy (Malama), Rakoto Doris sy ny depiote teo aloha, voafidy tany Antsalova, Ramarolahy Maurice ary koa Raharinirina Jacques Aimé. Nivoitra tamin’ny lahateny nifandimbiasana ny afo tsy maty sy ny fitohizan’ny tolona. Niara-dalana, nahatsiaro izany koa ny MFM any Toliara.

Niova anarana ny MFM
Samy aty amin’ny fanoherana avokoa na ireo hanatanteraka hetsika anio na ireo efa nahavita izany, afakomaly.
Tsiahivina fa nitsangana ny 27 desambra 1972 ny MFM. Mpitolona ho an’ny fanjakan’ny madinika izany tamin’izany ary niofo ho Mpitolona ho an’ny fandrosoan’i Madagasikara, taty aoriana.

Synèse R.

Partager sur: