Hisorohana ny VIH/Sida: hizarana fitsindromana ny mpidoroka zava-mahadomelina

Anisan’ny fitaovam-piarovana tsy hiparitahan’ny tsimokaretina VIH/Sida ny fimailo sy ny fitaovam-pitsindromana azy manokana ho an’ireo mandray zava-mahadomelina amin’ny alalan’ny tsindrona. Tetikasa voalohany manampy ireo olona mandray zava-mahadomelina ny fanoloana ny fitaovana maloto isan-kerinandro sahanin’ny fikambanana Ainga Aides.

Fitaovam-piarovana tsy hahatongavana amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina VIH/Sida ny fisitrahana fitaovana fitsindromana (seringue) ho an’ireo mpandray zava-mahadomelina amin’ny alalan’ny tsindrona. Tsy afaka mividy fanindromana isaky ny mila (500 Ar ny vidin’ny iray eny amin’ny farmasia) nefa izy ireo ka ifandimbiasana izany. Raha mitondra VIH ny olona iray ao amin’ny vondrona, hamindra amin’ny rehetra vokatry ny fifandimbiasan’ny fitaovana izany.
Ny taona 2009, namaky lay ny fikambanana Ainga Aides anatin’ny fandaharanasa fampihenana ny ambana izay natomboka tamin’ny tetikasa andrana tany Toamasina. Nanome fitaovam-pitsindromana ireo olona mpandray zava-mahadomelina amin’ny tsindrona ny fandaharanasa. “Tsapa fa nitombo hatrany ireo niditra ho mpisitraka ka nanao adisisika ny fikambanana tamin’ny tetikasa Fanoloana ny fitaovam-pitsindromana, ny taona 2012”, araka ny fanazavan’ny mpandrindra ny Ainga Aides, Dr Ravelohanta
Mana­na­risoa, teny Ivato nandritra ny fivoriana faha-20 momba ny VIH ho an’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina.
1 583 ireo mpitsindrona zava-mahadomelina misitraka ny tetikasa manerana ny Nosy, amin’izao fotoana, izay miaraka amin’ny Ainga Aides. Noho ny fisian’ny mpiray ombon’antoka (Expertise France), homena fitaovana fitsindromana madio isan-kerinandro, maimaimpoana, ireo mpitsindrona ho takalon’ilay efa nampiasaina izay dorana. Ireo efa mpandray zava-mahadomelina no iompanan’ny tetikasa. Olona marary mila tohanana sy fi­tsaboana ireo miankindoha amin’ny zava-mahadomelina nefa tojo olana izy ireo amin’ny fitaovam-piarovana isorohana ny fiparitahan’ny VIH.

Manana andraikitra ny fanjakana

Toromarika iraisam-pirenena avy amin’ny Firenena mikambana ny tetikasa fanoloana ny fitaovana fitsindromana ho an’ny olona mandray zava-mahadomelina amin’ny alalan’ny tsindrona. Voasoratra ao amin’ny lalàna momba ny ady amin’ny VIH kosa fa andraikitry ny fanjakana ny manome fitaovam-piarovana ny olona mandray zava-mahadomelina tsy ho tratran’ny tsimokaretina VIH, araka ny nambarany ihany.

Vonjy

Partager sur: