“Orange summer challenge 2024”: nisongadina ny tetikasa “Plastikoo”, plastika avadika biriky

Manan-talenta ny tanora malagasy ary nisongadina ny tetikasa efatra tamin’ny an-jatony nifaninana. Mbola hisedra ny mpifaninana aty Afrika ny tetikasa “Plastikoo”, mendrika tamin’ny “Orange Summer Challenge 2024”, hoy ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar.

Lasan’ny ekipa namolavola ny tetikasa “Plastikoo” ny tetikasa mendrika anatin’ny “Orange Summer Chall­enge” taona 2024, andiany fahatelo, izay fifaninanana ho an’ny tanora manangana tetikasa, mitondra tombontsoa ho an’ny mpiara-belona amin’ny lafiny toekarena sy sosialy. Valo mianadahy (Tsitoo, Asah, Johns, Sarobidy, Vanessa, Yvan ary Landry) izy ireo no niketrika ny fanangonana ny fako plastika ary mamadika izany ho biriky hananganana fotodrafitrasa maharitra. “Mampiavaka ny biriky vita amin’ny plastika ny fampihenana ny akora ampiasaina satria tsy mila simenitra fa mifampiditra fotsiny dia maharafitra zavatra iray, hoy i Tsitoo”, omaly, tetsy Soa­rano. Nanamboatra milina fanangonana ny tavoahangy plastika sy mamotika avy hatrany ny akora ho lasa vovoka izy ireo. Aoriana kely, ireo rehetra mandrotsaka tavoahangy ao anatin’ny milina dia mahazo vola avy amin’ny finday.
Eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato no hametrahana voalohany ny milina fanangonana sy manapotika ny tavoahangy plastika ary misy ny fiaraha-miasa amin’ny mpitantana ny seranana. Varavarana miditra eto Madagasikara ny seranana ka tokony ho hitan’ny mpitsidika taratra fa firenena miroso amin’ny fahadiovana izy. Nahazo sorabola 8 000 000 Ar izy ireo sy fanohanana tsy tapaka avy amin’ny Orange Digital Center hampiroboroboana ny tetikasany.
Vokatry ny fahitana ny fako plastika miparitaka no nitarika ny ekipa hisafidy ny tetikasa fanodinana azy ireny ho akora azo hanorenana fotodrafitrasa. Efatra ny tetikasa nifaninana ho an’ ny famaranana. “Telo volana no naharetan’ny fikarakarana sy ny famoronana ny milina nifaninana ary niofanan’ny ekipa efatra momba ny famoronana tetikasa sy zavatra maro hafa”, hoy ny talen’ny Orange Digital Center, Dina Mallet.

Vonjy

Partager sur: