Nitondra tolo-tanana ho an’ny akany Mikolo Fanantenana, eny Ambohijanaka, ny Fondation Axian, omaly. Horaisina an-tanana ny hofan-tranon’ny akany mandritra ny taom-pianarana 2024-2025, hanamaivana ny vesatra. Nitondra vary 5 gony sy kojakojam-pianarana ho an’ny ankizy ihany koa izy ireo.
Akany mitaiza ankizy kamboty sy zanaky ny fianakavina tena sahirana eny Ambohijanaka sy ny manodidina ny Mikolo Fanantenana, ao amin’ny fokontany Antovontany, izay tantanin’ny tale Razanajatovo Rachelle.
Miahy tena ny akany ary ny tohana ataon’ireo malala-tanana no hanodinana ny asa fanabeazana ireo ankizy 45 ao an-toerana. Ankizy 3 taona ka hatramin’ny 5 taona ireo beazina ao. Fanokafana ny vavahadin-tsaina mialoha ny hidirana any amin’ny EPP no tena hatao. Miara-miasa amin’ny fokontany ny akany hijerena ireo ankizy kamboty sy tena sahirana.
Niorina ny taona 2019 ity toeram-pibeazana ity. Tokony hobeazina ny akizy madinika mba tsy hirenireny sy hotaizain’ny lalana fotsiny, hoy hatrany ny tale. Maimaimpoana ny fampianarana sy ny fitaovam-pianarana.
“Akany tena mila tohana amin’ny lafiny maro ny Mikolo Fanantenana”, hoy Razakamanantsoa Jessica, avy amin’ ny Fondation Axian, ary mbola vitsy ireo manao tantsoroka azy ka izany no antony nisafidianana ny akany. Tanjona ny hahafahan’ny ankizy manana taom-pianarana milamina sy mirindra.
Tatiana A