Nikarakara varavarana misokatra tetsy Antaninarenina, omaly, ny fikambanana Koloaina. Nampahafantarina nandritra izany ny momba ny fikambanana, ny fomba fiasany, ny asa ataony ary ny vinany amin’ny taona hoavy manaraka. Miompana amin’ny fampandrosoana ny sosialy ny ankamaroan’ny fandaharanasa ataon’izy ireo, eto an-toerana. Tanjona ny hanovana toe-tsaina eo amin’ireo mpisitraka sy hivelarany ary hampahaleo tena azy eo amin’ny fiainana. Nandritra ny 20 taona nisian’izy ireo, mahatratra 14 400 ireo zaza nisitraka kopia nahaterahana, ankoatra ny tetikasa hafa. “Amin’ny ankapobeny, ireo sokajin’olona sahirana no tena tonga manatona ny fikambanana mba hisitraka kopia nahaterahana eto Madagasikara”, hoy ny tale misahana ny fandaharanasa eo anivon’ny fikambanana, Ranaivo Fanja Anselme. Sahirana ara-pivelomana ny ankamaroan’
izy ireny, noho ny fiterahana aloha loatra sy tsy fananana anto-pivelomana voarindra. Antony mahatonga izany koa ny tsy fahafantaran’ny olona ny lalàna, ny fahatahorana iditra birao, ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra. Eo ihany koa ny halaviran’ny tobim-pahasalamana ka any an-trano no miteraka. Araka ny lalàna misy, 12 andro aorian’ny fahaterahana ny fe-potoana tokony hikarakarana sy hanaovan’ny ray aman-dreny io taratasy io. Efa nihitatra 30 andro kosa izany amin’izao fotoana. Nohamafisiny fa tokony hojeren’ny fanjakana ny hanavaozana io lalàna io mba hifanaraka amin’ny zava-misy iainanan’ny vahoaka.
Mino