Tontosa ny alakamisy 24 oktobra 2024 teo ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2024-2025 ho an’ny Sekoly miaramilam-pirenena (Semipi) Beravina Fianarantsoa. Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, izay nanamafy tamin’ireo mpianatra fa zava-dehibe ny fanarahana ny fitsipi-pifehezana, ny fahaiza-miaina ary ny fanajana ny soatoavin’ny Foloalindahy. Nandritra ity lanonana ity koa no nanaovan-tsonia fanamafisam-piaraha-miasa teo amin’ny Semipi sy ny Oniversiten’i Fianarantsoa. Ahitana lalam-piofanana telo izany fiaraha-miasa izany: ny Droit et sciences politiques, ny Sciences ary ny Médecine. Ho an’ny médecine, fiaraha-miasa vaovao, raha efa nisy hatramin’ny taona 1993 kosa ny Droit et Sciences politiques ary ny Sciences. Notolorana mari-pankasitrahana ireo mpampianatra tao amin’ny sekoly satria nahatratra 94 % ny taham-pahafahan’ny mpianatry ny Semipi ny bakalorea. Izy ireo rahateo, araka izany, no nahazo ny laharana voalohany tao amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Nanolotra vatsim-pianarana ho fanampiana ireo ankizy kamboty zanaky ny Foloalindahy mandranto fianarana ao amin’ny Semipi koa ny Fivami notarihin’ny vadin’ny MFA, Joséphine Sahivelo. Nitondra fampitaovana entina hanatsarana ny sekoly sy fiahiana ny maha olona ho an’ireo mpianatra ny MFA.
Jean Claude