Maty nalentiky ny rano ny zazavavikely telo. Nanenjika tavoahangy nisy jorery izy ireo, tao Ambavarano Antsahatanteraka, kaominina Fenoarivobe.
«Nahita tavoahangy nisy jorery izay nentin’ny rano izy ireo tamin’ny 12 ora atoandro ka nanenjika izany. Tsy tafaverina intsony anefa», hoy ny nanatri-maso. Nahavoaray antso avy tamin’ny olona tsara sitrapo ny Jly Rakotoarivony, lehiben’ny zandary ao Miaramandroso, mahakasika io tranga io. Nidina ifotony niaraka tamin’ny mpitsabo izy sy ny mpiara-miasa nijery ny zava-nisy. Vantany vao tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza ireo tompon’andraikitra, natao ny fikarohana. Nifarimbona ny zandary sy ny fokonolona tamin’ny fikarohana ny razana. Vokany, adiny telo taty aoriana, hita ny vata-mangatsiakan’izy telo tamin’ny 3 ora hariva. Natao ny fizahana ny razana, taorian’izay. Mipetraka ao Miaramandroso avokoa izy telo vavy raha ny fanadihadiana. Efa eo am-pelantanan’ny fianakaviana tsirairay avy ny razana taorian’ny fizahana. Niandraikitra ny raharaha ny zandary zana-tobim-paritra ao Tsinjoarivo 22, tobim-paritra Tsiroanomandidy.
Mino (Mpianatra asa)