Anisan’ny foto-piveloman’ny mponina ny jono ao amin’ny farihin’Andranotapahana Ambohidratrimo. Mamatsy hazandrano an’i Talatamaty sy Ambohidratrimo ary indrindra ny aty an-dRenivohitra. Nandrotsahana zana-trondro tilapia miisa 25 000 tao amin’ny farihy, ny 23 oktobra teo, avy amin’ny fikambanana Fanilon’i Marovatana sy ny fikambanana Ezaka Firaisankina. Natao ity hetsika ity mba hiteraka tombontsoa ho an’ny mpanjono, sady hampitomboana ny vokatra hazandrano sy hanatsarana ny fidiram-bolany. Nohararaotin’ny talem-paritry ny Jono ny nanentana ny mponina ny mba hanajana tanteraka ny fe-potoana fikatonan’ny fanjonoana amin’izao fotoana izao, satria ahafahan’ny trondro manatody sy hitomboany ihany koa.
Nanatrika ny fotoana ny talem-paritry ny Jono sy ny fampiroboroboana ny toekarena manga Analamanga. Teo koa ny sefo distrika Ambohidratrimo, ny ben’ny Tanàna ny kaominina Talatamaty sy Ambohidratrimo ary ny sefo fokontany isanisany.
Njaka A.