Jean Nirina R. : « Tokony hiova ny toe-tsain’ny olona »

Ho avy ny fotoam-pahavaratra ka ho tondraka sy hia­katra indray ny rano eto an-dRenivohitra, indrindra ny eny amin’ny faritra iva. Efa mandray ny andraikiny ny fanja­kana sy ny Apipa mitady ny fomba rehetra hamahana izany. « Efa olana hatramin’ izay mihitsy io resaka lakandrano tsentsina sy rano miakatra io. Tokony hiova amin’ izay kosa ny toe-tsain’ny olona tsirairay. Satria, tsy vitan’ny fanjakana irery ny andraikitra », hoy ny fanazavan’ny sefo fokontany Anosizato Atsi­nanana, Rafanomezantsoa Jean Nirina, manoloana ity olana goavana sedrain’ny mponina eny amin’ny faritra iva ity. Nambarany fa ny ankamaroan’ny olona amin’izao fotoana izao, lasa toerana fanariam-pako ny lakandrano, eo koa ireo fanorenan-trano tsy manara-dalàna eny am­bony lakandrano, manampy trotraka izany koa ny ara-boajanahary, toy ny fisian’ireo tsikafona ma­niry amin’izy ireny. Vokany, tsen­tsina tanteraka ny lakandrano. Izany no mahatonga ny tondra­drano, toy ny eny Anosy, Am­pefiloha hatrany 67 ha. Olana goavana koa ny fisian’ireo fako plastika izay anisan’ny tena manamora ny fahatsen­tsemana. Manana an­draikitra amin’izany ny fiarahamonina, araka ny nambarany. Entanina ny rehetra fa saro-pady ny lakandrano. « Ao anatin’ny fanesorana ny fotaka manen­tsina ireny lakandrano ireny ny fanjakana amin’izao fotoana izao », hoy izy. Mbola hisy, araka izany, ny tondradrano, araka ny fanazavany hatrany.

Jean Claude

Partager sur: