Tapitra teo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona ny dian’ny Barea de Madagascar, sokajy vehivavy, ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika “Cosafa cup 2024”.
Faharesena iray, ady sahala iray ary fandresena iray. Io no vokatra azon’ny Barea de Madagascar, sokajy vehivavy, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika “Cosafa cup 2024”, taranja baolina kitra. Isa 4 ihany no azon’ny Barea, tao anatin’ny sokajy “B” ary nametraka azy ireo teo amin’ny laharana fahatelo.
Nifarana teo, araka izany, ny lalan’ny Barea de Madagascar. Raha ny lalao farany nataon’ny tovovavy malagasy, omaly, nisaraka ady sahala samy tsy nisy nitoko tamin’i Botswana izy ireo. Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianja Isaac Wolfson Stadium. Niady ny lalaon’ny roa tonta ary tena nanohitra hatramin’ny farany ny Barea de Madagascar, notarihin-dry Christina sy i Edoxie ary Ny Kanto.
Betsaka ny baolina tokony ho tafiditra fa mikoropaka na mitavozavoza rehefa eo am-pototry ny tsatoby ireo lohalaharana malagasy.
Vao niditra ny fizaram-potoana faharoa, nilalao 10 ny Barea de Madagascar. Nahazo karatra mena i Sarah. Na teo aza izany, tsy nampihemotra ny tovovavy malagasy fa nanafika hatrany saingy tsy nety nikobana mihitsy ny haraton-dry zareo Botsoaney.
Tetsy ankilany, niezaka nanafika ihany koa ny Botsoaney, saingy tsara rafitra ny fiarovantenan’ny Barea ka tsy afa-nandingana izy ireo.
Hisolo tena ny sokajy “B” any amin’ny manasa-dalana i Malawi, izay nanamontsana ny Maorisianina, tamin’ny isa mavesatra 9 no ho 0.
Anisan’ny efa tafita amin’ ny manasa-dalana ihany koa ry zareo Afrikanina Tatsimo. Hotanterahina ny alakamisy 31 oktobra ho avy izao ny ankatoky ny famaranana roa.
Tompondaka