Notontosaina omaly, tao Paris, ny lanonana fanomezana ny “Ballon d’or”, ho an’ny mpilalao baolina kitra mendrika maneran-tany, ho an’ny taom-pilalaovana 2023-2024. Nanao pao-droa ny Espaniola, satria lasany avokoa ny teo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Ho an’ny lehilahy, nandrombaka izany voalohany ho azy, i Rodri, mpilalaon’ny Manchester City. Teo amin’ny andriambavilanitra kosa, voahosotra fanindroany amin’izany, i Aitana Bonmati, milalao amin’ny klioba Fc Barcelone Espagne.
Raha ho an’i Rodri, maro ny amboara efa azony. Anisan’izany ny “Euro 2024”, ny “Super Coupe Europe”, ny “Premier League”. Efa voahosotra ho mpilalao mendriky ny “Euro 2024” koa izy. Nahagaga ny olona tany Paris ny tsy nahatongavan’ny ekipan’ny Real Madrid nefa ny mpanazatran’izy ireo, i Carlo Ancelotti, no teknisianina mendrika indrindra ary voafidy ho klioba tsara indrindra tamin’ny taona 2024 ity, ity klioba espaniola ity. Tsara ny mampahafantatra fa nomena an’i Lamine Yamal, lohalaharana espaniola, ao amin’ny FC Barcelone, ny mpilalao zandriny mendrika.
Fitia Randria