Eo am-panomanana tanteraka ny “Critérium National”, ny eo anivon’ny Fihezama (Fitaizana ny herin’ny zatovo malagasy). Fihaonambe nasionaly hotanterahina ny zoma 1 novambra izao, ao amin’ny Kianja mitafo Pedro Andralanitra. Tanjona ny hanetsehana indray ireo taranja matory, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Fihezama, Rakotovao Jacky Raymond. Hetsika maro no hanamarihina io fotoana io ary hampiseho ny maha izy azy avokoa ny mpikambana rehetra eo anivon’ny Fihezama, na ny ara-kolotoraly izany, na ny ara-panatanjahantena. Hanombohana ny fotoana ny filatroana sy ny fampahafantarana ireo taranja rehetra misy eo anivon’ny Fihezama, izay ahitana taranja 72. Hisy, aorian’izay, ny fampisehoana ara-kolotoraly, arahin’ny lalao famaranana eo amin’ny taranja basikety. Hampiseho ny fahaizany ihany koa ireo mpiangaly haiady isan-karazany eo anivon’ny Fihezama. Tsara ny manamarika fa miara-miasa akaiky amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ny Fihezama, amin’ny fikarakarana ireo hetsika rehetra ary mifanohana amin’ny fanatontosana ity “Critérium national” ity ny MJS sy ny Fihezama, araka ny fanazavana hatrany.
Mi.Raz