Ao anatin’ny vanim-potoan’ny fialantsasatry ny “Toussaint ” isika ankehitriny. Mitombo ny fivezivezena any amin’ny faritra Atsinanana sy any amin’ireo faritra hafa izay mankalaza ny 1 novambra. Manentana ny rehetra, araka izany, ny ATT mba samy hitandrina ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Eo koa ny fanamarinana ny taratasin’ny fiara rehetra sy ny fahatomombanany.
Hodinihina ny fangatahan’ny kaoperativa maniry hitrandraka ny zotra vaovao any amin’ireo faritra izay tsy mbola misy izany, toy ny any Boeny, Vatovavy, Anosy… Nivoitra izany nandritra ny fihaonana teo amin’ireo kaoperativa sy ny fikambanana “Grand Sud-Est” ao Mahajanga ary ny ATT, ny herinandro teo.
Antony lehibe mahatonga ny fikorontanan’ny saina ny tsy fahampiana torimaso, lasa mampiova toe-po, mora kizitina amin’ny olona sy ny tontolo manodidina azy. Rehefa sendra ny olona be taraina lava, kizitina, mimenomenona dia lasa malaina hifanerasera amin’ny hafa. Ny manodidina ihany koa dia miteraka fikorontanan-tsaina raha mitabataba lava na mikorontan-dava…
Nitarika fahasimban’ny lalana ny fahapotehan’ireo “buses” ao ambanin’ny tany, eny Ambohijatovo. Lavahana 2 hatramin’ny 3 metatra eo amin’ny faritra nihotsaka ahafahana mamantatra ny tokony hamboarina sy ny fitaovana mifanaraka amin’izany. Hiditra amin’ ny fanamboarana ny CUA ary ho ezahina hafainganina ny asa.