Anjaran’ny mpiasan’ny seranam-piaramanidina, ao amin’ny orinasa Ravinala Airports, any Nosy Be no nisitraka ny fampiofanana mahakasika ny ady amin’ny famarinana olombelona, izay nataon’ny BNLTEH.
Nampahafantarina azy ireo ny karazana mari-pamantarana manan-danja izay mety hitarafana trangam-pamarinana olombelona. Amin’ny maha mpisehatra voalohany azy ireo eo amin’ny fifamezivezen’ny olona eny amin’ny seranam-piaramanidina, manana andraikitra lehibe amin’ny fanakanana ny hetsika mampiahiahy sy ny fanairana haingana ireo manampahefana mifandraika amin’izany ireo mpiasa.
Ny fahaizany manavaka ireo toe-javatra mampiahiahy, miendrika famarinana olombelona, dia afaka mamonjy aina sy mampihena ny herin’ ny tambajotran’ireo mpanao trafika. Nitohy ny hetsika fampiofanana ho an’ireo mpiasan’ny Ravinala Airports, misehatra eny anivon’ny seranam-piaramanidina Ivato, tamin’ity herinandro ity.
Vavahady hivezivezen’ny olona avy any ivelany ny seranam-piaramanidina. Mba tsy hisian’ny gaboraraka amin’ny fanondranana olona antsokosoko amin’izy ireny no anton’ny fanofanana.
Manaitra avy hatrany ny tomponandraikitra ireo mpiasa raha mahita tranga mampiahiahy. Manamora sy manafaingana ny sakana hatao tsy hahatanteraka ny fikasan-dratsy izany. Tsy ny vehivavy ihany no iharan’ny famarinana olona fa na ny lehilahy ihany koa aza ka ilana fahamailoana avok
Tatiana A