Zava-dehibe ny fitiliana : manasongadina ny lentan’ ny laboratoara ny Clam

Tsy azo iodivirana ny fanaovana fitiliana ireo karazana vokatra avoakan’ny orinasa mialoha ny hamarotana azy eny an-tsena na hanondranana azy any ivelany. Manana ny toerany ny laboratoara manao izay fitiliana izay.

Hotanterahina eny amin’ ny Akademia Malagasy Tsimbazaza, ny 6 no­vambra izao, ny Andron’ny Consortium de laboratoire de Madagascar na Clam. Loha­hevitra hovoizina ny mahakasika ny laboratoara eto Madagasikara izay manana herijika vaovao. Hisy ny famelabelaran-kevitra momba ny kalitao sy ny fenitra samihafa izay tokony hapetraka eny anivon’ny laboratoara. Ny fomba fiasa, ny sampandraharaha tokony hisy hahafahana mihodina ara-dalàna.
Ireo laboratoara rehetra mpikambana amin’ny sehatra marolafy no handray anjara amin’izany. Fanambarana ny hery hahafahana miroso amin’ ny resaka kalitao eny anivon’ ny laboratoara ihany koa izao, araka ny fanazavana nentin’ ny filohan’ny Clam, Rajoelisoa Andriamalala.
Fikambanana ahitana laboratoara maromaro ny Clam. Misehatra amin’ny angovo, fiompiana sy fambolena…Tanjona ny hampivoatra ny kalitao eny anivon’io sehatra io hanaovana fitiliana akora iray.
Manome fiofanana sy mizara antontanisa manodidina ny laboratoara ahafahan’ny mpikambana mivoatra amin’ ny kalitao mba hametrahana ny fenitra eken’ny iraisam-pirenena.
Zava-dehibe ny fananana laboratoara manana fankatoavana manokana sy eken’ny iraisam-pirenena ny vokatra ataony, araka ny fanazavan’ireo mpikambana ao amin’ny Clam ihany. Hentitra ary sarotiny amin’ny kalitaon’ny entana ireo firenana hanondranana izany. Mametraka fenitra amin’ny kalitaon’ny vokatra ny firenen-dehibe. Ny laboratoara izay manao fitiliana dia tokony ho azo antoka sy manana fahatokisana ary fankatoavana iraisam-pirenena mihitsy.
Voafetra ny fahafahana mivarotra, araka izany, raha tsy manana io fankatoavana io ny laboratoara nanaovana fitiliana vokatra ahondrana. Ny valin’ny fitiliana no antoka milaza fa tsara sy azo antoka izany.

Tatiana A

Partager sur: