INDRAY MIJERY

Ny orinasa mpanondrana vokatra any amin’ny firenena any ivelany dia tsy maintsy mandalo ny sampandraharaha isan-tokony. Tsy maintsy alefa any amin’ny firenen-kafa ny fanaovana fitiliana rehefa tsy ampy ny laboratoara azo antoka manao izany eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fanondranana hazandrano izay hatao any ivelany vao afaka manondrana i Madagasikara.
Amin’izao olan’ny rano izao, mailomailo amin’ ny karazana ranomboankazo amidy etsy sy eroa. Saro-pady ny fahasalamana ka aleo mitandrina, indrindra ho an’ireo ankizy madinika. Rano efa avy nangokatra sy voankazo voadio tsara no tokony hanaovana ranomboankazo mba tsy hitera-doza ho an’ireo zaza sy ankizy misotro azy ireny.
Amidy eny amin’ny toerana akaiky sekoly ireo karazana tsakitsaky mahasarika ny mason’ny ankizy. Maro ireo vokatra misy akora simika mampahatsiro ireny karazan-kanina ireny izay tsy zakan’ny ankizikely ka miteraka aretina ho azy. Manafatrafatra mihitsy ny dokotera ny hifantenana tsara ny tsakotsako ho an’ny ankizy fa tsy sondriana amin’ireo amidy eny an-tsena.
Lavalava ny faran’ny herinandro izay hanomboka androany. Maro ireo fianakaviana hisafidy ny hivoaka kely ny Renivohitra, hiala amin’ny ro­to­roton’Anta­na­narivo. Tokony hivonona hatrany anefa fa na ny toerana manodidina an’Antananarivo aza dia misy delestazy sy tsy fahampian-drano ihany koa.

Partager sur: