Billard – «Mondial 2024»: mpilalao 14 mianadahy hiaro ny voninahi-pirenena

Misedra olana ny ekipa malagasy handeha hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja billard. Tsy mbola azo ny “visa”, ny fifaninanana anefa efa manakaiky. Miisa 14 ireo hiaro ny voninahi-pirenena, any Malte, amin’izany.

Hotanterahina any Malte, ny 2 – 10 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany taranja billard. Anisan’ireo handray anjara amin’izany i Madagasikara ka mpilalao 14 mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany. Ny 3 mianadahy amin’ireo, mpilaravinahitra mipetraka any France: David Cadet, Maro­lahy Princy Chan ary i Fabiola. Ho fiatrehana izany, nanome fitafiana “chemises” miisa 2 sy “polo” ary “serviette” ho an’ ireo mpilalao ny fikambanana More Than Basket-ball (MTB). Notanterahin’ny filohan’ny MTB, Andrianaivo Tsimbina, tetsy Mahamasina, omaly, ny fanolorana izany teny an-toerana.
Ankoatra izay, nolazain’ Andriamihaja Raharinavalona Daniela, kapitenin’ny ekipa malagasy fa misedra olan’ny delegasiona ny Malagasy telo andro mialoha ny fifaninanana. Hatramin’izao mantsy, tsy mbola nahazo ny fahazoan-dalana “visa” ireo mpilalao rehetra. Notsiahivina fa efa in­droa nangataka izany tamin’ ny masoivohon’i Frantsa izy ireo, saingy nolavina hatrany. “Tsy izy ireo mantsy no misahana izany, hany ka voatery nandefa olona any Pretoria Afrika Atsimo, mitondra ny antontan-taratasy rehetra hakana io “visa” io”, hoy Ra­naivo Mbolatiana, anisan’ireo mpilalao.
Mety ho ny 1 novambra vao ho tafainga ny ekipa malagasy ka ny 2 novambra, andro ha­nombohan’ny fifaninanana vao ho tonga any an-toerana. Sokajy 5 no handraisana an­jara dia ny “Masters, sénior, U23”, lehilahy sy ny vehivavy. Miatrika lalao ho an’ny isan-tarika, ho an’olon-droa, ary an’olon-tokana, ny firenena mpandray anjara. “Manana herijika handrombaka am­boara ny Malagasy satria manana talenta ary efa tsara fiomanana”, hoy i Diallo Ste­phanie Malalatiana.

Tompondaka

Partager sur: