« Rallye des litchis » : hamaranana ny taom-pilalaovana

Hotanterahina ny sabotsy 16 novambra ho avy izao ny andiany faha-7 amin’ny “Rallye des litchis”, dingana fahadimy, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2024. Fifaninanana, karakarain’ny klioba AC 501. Mahatratra
121, 56 km ny halaviran’ity rallye ity. Misy dingana manokana «ES» miisa 6 mirefy 73, 24 km izy ity.
Hotanterahina ny tapany maraina ny dingana manokana miisa 3 ary ny tapakandro hariva ny 3 ambiny. Hanombohana izany ny eo amin’ny Ermitage, mampitohy an’Ambatolaona 1, misy halavirana 11, 16 km. Ny faharoa, Sambaina sy CEG Ambatomanga 1, mirefy 12, 66 km ary ny fahatelo eo Ambo­hitsimeloka sy Ambalavato 1, misy 12, 80 km. Hanana lanjanisa 1 ity rallye ity.
Marihina fa hamarana ny taom-pilalaovana 2024 izy ity. Tsiahivina, efa fantatra fa ny ekipazy avy amin’ny klioba Asacm no nandrombaka ny ho tompondakan’i Madagasikara, tsy iza fa i Mathieu sy Andry Tahina. Mbola hanana ny lanjany kosa izany ho an’ireo sokajy sy kilasy hafa.

Tompondaka

Partager sur: