Resy nanoloana ny tompondakan’ny WFC i Tojo Heriniriana, tao anatin’ny fifaninanana « WFC Championship », izay ataony any Chine, taranja MMA. Voninahitra lehibe ho azy ity ady ity satria niady teo amin’ ny sokajy -61 kg izy, raha toa ka -57 kg ny sokajin-danja misy azy. Mbola mitohy ny fifaninanana ho an’i Tojo.
Mitarika vonjimaika ny GNVB ao amin’ny sokajy lehilahy, anatin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, U23, lahy sy vavy, tanterahina any Fianarantsoa. Eo amin’ny sokajy vehivavy, ny BI’As no mitarika ao
amin’ny vondrona B ary ny GNVB ihany koa no voalohany ao amin’ny vondrona A.
Nanomboka omaly, ao Toliara, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja karate. Mpikatroka 500 avy amin’ny ligim-paritra 24 no tonga any an-toerana hiatrika ny fifaninanam-pirenena izay hitohy hatramin’ny 3 novambra izao. “Hatao modely ity fifaninanana ity”, hoy ny filohan’ny FKM.
Hotanterahina ny zoma 1 hatramin’ny 3 novambra izao, eny amin’ny Lycée Saint Jean de Matha Moramanga, ny fifaninanana basikety “Inter-etablissement scolaire”, karakarain’ny fikambanana Fivam. Sokajy U13, U15, U17, lahy sy vavy, no hifaninana mandritra izany, mitondra ny anarana “Born to Play”.