Nitora-bato ny fokonolona, nanaparitaka tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso ny zandary teny Ambohibao Antehiroka, afakomaly. Olona roa naratra.
Nidina an-dalambe, nilanja sorabaventy sy nandoro kodiarana ny mponina teny Ambohibao Antehiroka, ny alin’ny talata 29 oktobra teo. Leo tsy fisian-drano sy fahatapahan-jiro, nanakan-dalana naneho ny hatezerany ny mponina teny an-toerana. Nitsoaka kiririoka sy nikotaba, voatery niditra nandamina ny toe-draharaha teny an-toerana, niezaka namerina ny fandriampahalemana ny zandary. Nilanja vato sady nitangorona teo afovoan’ny arabe ireo mpanao fitakiana. Ny famerenana amin’ny laoniny ny jiro sy ny rano no takin’izy ireo. Mandoa ny faktiora ara-dalàna saingy tsy misy ny fisitrahana. Raikitra ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso nataon’ny zandary. Ny fokonolona tetsy an-kilany izay nitora-bato. Vokany, olon-tsotra roa naratra. Voa mafy teo amin’ny masony ny iray. Samy naneho ny hatezerany nanoloana io tsy fisitrahana hazavana sy rano amin’ny ara-dalàna io ireo mponina. Tsiahivina, nifanesy nanao fihetsiketsehana noho io olan’ny rano sy jiro io ny ankamaroan’ny mponina tamina boriborintany vitsivitsy teto an-dRenivohitra, tao anatin’ny herinandro. Mandoro kodiarana, manapaka lalana hatrany izy ireo ka antony nahatonga ny fifandonana amin’ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.