Nosokafana ny 28 oktobra teo, tetsy amin’ny sampandraharaha misahana ny fikarohana sy fiofanana (DRFC) Antanimora, ny fampiofanana momba ny ady amin’ny fampijaliana olona. Tafiditra indrindra amin’ny fanohizana ny tetikasa nosoniavin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ny Association pour la prévention de la torture (APT) izao fampiofanana omena ny polisy izao. Natao izao mba hanatsarana ny fahaiza-manao eo anivon’ny polisim-pirenena manomboka amin’ny lehiben’ny sampandraharaha tsirairay ka hatramin’ny mpisehatra mivantana eny an-kianja. Tanjona ny hanafoana ny fampijaliana atao na mihatra amin’ny olona iray mandritra ny fisamborana, fanadihadiana na fitazomanana olona anaovana fanadihadiana. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général de police, Randriambelo Mandimbin’Ny Aina. Nizara andiany maromaro ireo mpiofana ka ny herinandro voalohany, natokana ho an’ireo lehiben’ny sampandraharaha eo anivon’ny polisim-pirenena. Hitohy ao anatin’ny telo herinandro izany ka ireo lefitry ny lehiben’ny sampandraharaha isan-tsokajiny no hanaraka ny fiofanana. Hamoaka tari-dalana ny avy ao amin’ny kaomity aorian’ny fampiofanana mba hanenana sy/na hanafoanana mihitsy ireo endrika fampijaliana mandritra ny asa hiantsorohan’ny polisy.
J.C