Natomboka tamin’ity herinandro ity, ny fanavaozana ny rakitsarim-paritra (Srat) ao amin’ny faritra Anôsy. Haharitra enim-bolana ny fanatanterahana ny karazana dingana rehetra hahavitana izany.
Fototra hitantanana ny fampandrosoana mba ny fanavaozana tsy maintsy hatao, araka ny vina napetraka ho tratrarina mandritra ny 20 taona, hoy ny governora Rakotovelomanantsoa Voahary.
Voafaritra amin’ny fomba ofisialy ihany koa ny rafitry ny vaomiera hisahana ireo masontsivana rehetra amin’ny ho fanatanterahana ity rakitsarim-paritra ity ho fanajariana ny tany ho an’ny faritra Anôsy (Crat).
Ahitana solontena avy amin’ireo mpiantsehatra amin’ny fampandrosoana eny amin’ny distrika telo mandrafitra ny faritra izany, izay iarahan’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany mamolavola miaraka amin’ny faritra Anôsy. Ny tetikasa Mionjo kosa no manohana ara-bola .
Tatiana A