Nanohana ny kaominina Toamasina amin’ny fanontana ny torolalana mahakasika ny fanaovan-draharaha sy torolalana ho an’ny olom-pirenena, ho fampahafantarana ireo sampandraharaha isan-tsokajiny eo anivon’ny kaominina, ny USAID. Tanjona ny hanamafisana ny mangarahara sy hanatsarana ny fahombiazan’ny tolotra eo anivon’ny kaominina. Hanamafy ny fitokisana sy fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fitantanana eny ifotony ihany koa izany.
Tobim-piantsonana ahafahana misitraka “connexion internet” maimaimpoana voalohany eto Madagasikara ny ao Aranta Mahajanga. Ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa fitaterana sy fifamoivoizana no hitondra ho amin’ny fanavaozana sy fampandrosoana an’i Madagasikara. Misitraka izany ny mpandeha sy mpitatitra ary ireo mpandraharaha ao amin’ny toby fitaterana.
Mpiasam-panjakana mahafantatra ny sata mifehy azy, mahay tsara ny fitsipika mifehy azy araka ny lalàna manan-kery no tanjona. Miisa 219 indray ireo avy eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, ORTM, no nahazo fiofanana, tamin’ity herinandro ity. Nanomboka ny volana febroary teo hatramin’izao, efa nahatratra 6 634 ireo mpiasam-panjakana nahazo fiofanana momba ny etika sy ny deontolojia mifehy azy.