Hatao ny 5 hatramin’ny 11 novambra izao, any Maldives, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja Bodybulding. Omaly alina no nanainga ny delegasiona malagasy hiatrika ity fifaninanana ity.
Atleta 4 mianadahy, tarihin’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny Bodybuilding, i Georgi Vernier, no hisolo tena an’i Madagasikara any Maldives, mandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja bodybulding, andiany faha-15. Nomarihin’ny filohan’ny Federasiona fa tsy ireo 4 mianadahy ireo ihany no tokony hiatrika ity fifaninanana ity fa misy ireo tsy ampy hoenti-manana ka voatery nijanona. Ireo atleta ihany no nikaroka ny vola, tamin’ny alalan’ny fitadiavana mpanohana sy tsipaipaika, nahafahan’izy ireo nandeha any Maldives. Nanampy azy ireo ny Komity Olympika malagasy sy ny Federasiona, saingy tsy hita taratra kosa ny minisitera, raha ny nambaran’ny filohan’ny Federasiona, i Georgi Vernier. “Aleo ho hitany aloha ny vokatra, dia ho hita eo izay ataony”, hoy ity filoha ity. Vokatra tsara hatrany no nentin’ny bokona hozatra malagasy rehefa avy miatrika fiadiana ny tompondaka maneran-tany, raha tsy hiteny afa-tsy ny nahazoan’i Nivo, Malagasy tompondaka lefitra, tany Thailande (2020). Nahazo medaly ihany koa ny solontena malagasy tany Ouzbékistan tamin’ny alalan’i Big Man, i Tsila ary i Nivo. Teo ihany koa ny nahazoan’i Big Man laharana fahatelo sy ny nandrombahan’ i Stacy ny tompondaka lefitra nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, tany Thailande, ny taona 2022.
Atleta mendrika
Tsy ho latsa-danja amin’ireo teo aloha fa vao mainka aza atleta tena mendrika ireto mandrafitra ny ekipa malagasy ihazo an’i Maldives ireto, araka ny nambaran’ny Tale teknika nasionalin’ny federasiona, Coach Abba. Manana vatana tsara afaka miatrika “mondial” izy 4 mianadahy ireo, raha ny fanazavany hatrany. Etsy ankilany, efa ela no nanomanana izy ireo ary manantena ny hitondra vokatra tsara miverina eto an-tanindrazana.
Mi.Raz
Ireo solontena malagasy
Ralaiharitiana Léonce Annicet, Men’s athletics physique
Rakotoarisoa Nomenjanahary fenohery, Men’s athletics physique
Nancy Leung, Women’s modele physique
Ramahavonjy Arnaud Hubert, Men’s bodybuilding 80kg