Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro faha-9, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Top 12”, taranja rugby. Hisongadina amin’izany ny fihaonana eo amin’ny FTM Manjakaray sy Cosfa (Miaramila Bebaoty), hiady izay ho lohany. Mitarika eo amin’ny filaharana ry zareo Manjakaray (Dakar) raha eo amin’ny faharoa ny Cosfa.
Hiendrika famaranana kely ny fihaonan’ny roa tonta. Izy ireo izay samy tsy mbola tojo faharesena nandritra ny fifanintsanana. Heverin’ny rehetra fa lalaon’ny mpanazatra no hitranga ary hivoaka ho mpandresy izay tsara paikady.
Ekipa diso mifankahalala tsara mantsy izy ireo ka sarotra ny haminavina izay ho tafavoaka. Samy manana teknisianina mpilalao sy matanjaka na ny andaniny na ny ankilany. I Koroka, ry Lahatra sy Jean Yves raha tsy hilaza afa-tsy ireo, ho an’ny Manjakaray. Manana an’i Maxim sy i Ginot miampy an-dry Hery koa ny Bebaoty.
Ho voa izay ratsy fanomanana sy manao fahadisoana tsy nahy amin’ity. Samy manana ny fomba filalaony ny roa tonta ary endri-dalao avo lenta no ho hitan’ny mpijery amin’io. Hanala vela amin’ity ry zareo FTM Manjakaray. Irarian’ny rehetra kosa mba ho mpitsara matihanina maharaka tsara ny lalao no hitantana izany.
Ankoatra izay, hifanandrina ny STM (Savony) sy ny Cheminot (Besetroka) ary ny Tam sy ny FTBA. Hanokatra ny fihaonana ny lalao eo amin’ny Regional Analamanga, hifandonan’ny Fita II Anosizato sy ny Hiza 17 Angarangarana.
Tompondaka