SOMBIM-BAOVAO

Nambaran’ i Faneva Ima, tao anaty tambajotran-tserasera, afakomaly, fa efa any France, ilay Malagasy mpilalao, El Hadari. Tsy nety nilaza ny anaran’ilay klioba nefa ny tenany. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny loharanom-baovao iray nefa, fantatra fa klioba iray ao amin’ny diviziona faharoa any France no mety haka an’i El Hadari, raha vao misokatra ny Mercato, amin’ny volana janoary ho avy io.
Raha ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), any Afrika Atsimo no hanaovana ny lalaon’ny Barea de Madagascar sy ny Aigles de Cartages Tunisie, ny 14 novambra ho avy izao. Mbola baraingo kosa ny kianja hifanandrinan’ny Barea amin’i Comores. Tsiahivina fa tsy maintsy mandresy amin’ireo lalao roa ireo ny Barea vao mety hanana herijika hiatrika ny “Can 2025” hatao ao Maroc.
Miato avokoa ny lalao rehetra amin’ny faran’ity herinandro ity, ho an’ny fifaninanana “Fety de Baskety e!”, faha-15 taonan’ny AT2B. Antony ny fisian’ny fifaninanana Alley Hoop, hatao ny 2 sy 3 novambra izao. Miverina kosa ny fandaharam-potoana amin’ny 9 novambra izao, raha ny fanazavan’ny mpikarakara.
Hifarana anio ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ho an’ny sokajy latsaky ny 23 taona, lahy sy vavy, taranja Volley-ball, izay hatao any Fianarantsoa. Eo amin’ny sokajy vehivavy, hifandona amin’ny lalao famaranana, anio, ny ekipan’ ny GNVB Analamanga sy ny B’As Analamanga.

Partager sur: