Nanainga afakomaly ny diaben’ny fahasalamana faradoboka. Hitety distrika dimy amin’ny lalam-pirenena fahafito hatrany Toliara hitondra tolotra fitsaboana, fitiliana ary fikarakarana maimaimpoana izy ireo.
“Natokana ho an’ny vahoaka sahirana tsy manana fahafahana hitsabo tena na hanao fitarafana noho ny sarany lafo ireo tolotra marobe entin’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny fiarabe maromaro, izay misy fitaovana samihafa ahazoana manome tolotra manana kalitao tsara”, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny profesora Randriamanantany Zely Arivelo, teny amin’ny HJRA, nanotrona ny fiaingan’ny diabe. Hampianatra momba ny fisorohana koa ireo tomponandraikitra rehefa mandray an-tanana. Satria, mampihena ny vola mivoaka amin’ny isan-tokantrano ny fahaizana misoroka ny aretina. Tolotra be mpitady mandritra ny fidinana ifotony ny fikarakarana ny nify sy ny ativava. 80% ny Malagasy manana olana avokoa amin’ny fahasalaman’ny nify ka entanina hikolo ny nify sy ny ativava ny vahoaka. Mora kokoa ny vidin’ny borosy nify sy ny akora ampiarahana aminy hikoloana ny fahasalamany.
Entanina koa hisoroka ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy ny olona eny amin’ny distrika rehetra andalovan’ny diabe miaraka amin’ny polisy anatin’ny Brigade féminine de proximité (BFP), araka ny fanazavan’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka. Afaka mandray fitarainana koa ireo vehivavy polisy ireo ary manoro hevitra.
Tolotra maimaimpoana maro no omena ny vahoaka eny ifotony. Ahitana fizahana fahasalaamna sy fitiliana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza izany. Manan-danja koa ny fanentanana momba ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana izay laharam-pahamehana ho an’ ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Nanamafy ny solontenan’ ny mpiray ombon’antoka fa vonona izy ireo hanohana hatrany ny diaben’ny fahasalamana natomboka ny taona 2019 ary nisy andiany 30 hatramin’izao.
Vonjy