Niatrika ny fivoriana maneran-tany mahakasika ny fanabeazana, taona 2024, izay natao tany Fortaleza Brésil, nanomboka ny alakamisy 30 oktobra hatramin’ny zoma 1 novambra lasa teo, ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena malagasy, ny Dr Sahondrarimalala Marie Michelle. Nanokatra ny fivoriana ny filoham-pirenena breziliana.
Nandray anjara koa ireo minisitry ny Fanabeazana rehetra maneran-tany, mpikambana ao anatin’ny Unesco sy ireo minisitry ny Vola sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena ary ireo mpisehatra eo anivon’ny fanabeazana. Tanjon’ ny fivoriana ny hanaovana jery todika ny asa vitan’ny firenena tsirairay mahakasika ny vinan’ ny fampandrosoana maharitra taona 2030 amin’ny lafiny fanabeazana sy ny fanolorana ny asa entina mampandroso haingana hanatrarana ny tanjona napetraka.
Nisy ny famolavolana paikady iraisana entina mampitombo ny famatsiam-bola marolafy mifandraika amin’ny filan’ny firenena tsirairay, mba hanalavirana ny tsy fitoviana. Nanao antso ho an’ny sehatra iraisam-pirenena, ireo mpisehatra, mba hampivondronana ny hery ary hitondra anjara biriky tandrify hanomezana fanabeazana tsara kalitao ho an’ny rehetra. Niady hevitra sy nifampizara traikefa sy fahaiza-manao ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana nandritra ny fihaonana. Zo fototra ahafahana misitraka ireo karazana zo samihafa ny fanabeazana tsara kalitao.
Vonjy