Mampanahy ny tahan’ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida ao Antsirabe. Amin’ny olona 92 nanao fitiliana ny volana septambra lasa teo, efatra no mitondra ny tsimokaretina. Ireo olona eo anelanelan’ny 20 taona-35 taona no tena voakasika. “Teo aloha, olona tokana ihany tao anatin’ny efa-bolana no voatily fa mitondra ny tsimokaretina”, hoy ny lehiben’ny CSB II Ambalavato, Rarimanga Tolotsoa Vokadina.
Tombanana ho 75 000 ny isan’ny fanalan-jaza mitranga eto Madagasikara isan-taona, araka ny fanadihadiana natao ny taona 2010. Vehivavy 500 no mamoy ny ainy vokatry ny fahasarotana aorian’ny fanalan-jaza izay mbola voararan’ny lalàna mihatra. 215 000 koa ny isan’ny vohoka tsy iriana isan-taona ary ny 40% amin’ny vohoka tsy iriana miafara amin’ny fanesorana azy avokoa.
Anisan’ireo nandray anjara nandritra ny fihaonan’ny vehivavy mpitarika sady misehatra eo amin’ny lafiny fandriampahalemana sy filaminana ny minisitry ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa, ny herinandro lasa teo. Voafidy ho masoivohon’izany aty Afrika izy. Tanjona ny hampirisihana ny vehivavy handray anjara amin’ny fifidianana.
Ho fanomezana fampianarana tsara kalitao, natolotra ny herinandro lasa teo, tao amin’ny oniversite Ambondrona Mahajanga ny “connexion Wi-Fi” maimaimpoana. Efa an-taonany maro no nangatahan’ireo mpianatra izany hahafahan’izy ireo manao fikarohana ka izao novalian’ny fitondram-panjakana izao. Noho ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra no nahazoana izany.