Ny mahay rano ihany no maty an-drano! Hita faty nantsingevan’ny ranomasina, omaly Ralaiarinosy Jean Marie 55 taona, fantatry ny rehetra amin’ny anarana hoe i Dada mpijibika (mpisitrika) anaty ranomasina. Malaza ho mahay maka trondro anaty ranomamy sy ranomasina izy ary manan-talenta manokana momba izany. Izy rahateo manana fitaovana fampiasany rehefa misitrika any anaty ranomasina. Hatairana anefa ny an’ny rehetra nahita azy nantsingevan’ny ranomasina, omaly maraina. Raha ny fanadihadiana, ny talata antoandro teo izy no nisy nahita nilanja ireo fitaovana fampiasany rehefa misitrika anaty ranomasina ary any amin’ny “Ilot prune” no hanaovany izany. Izy rahateo efa zatra mandeha irery, araka ny fahafantaran’ny maro azy ao Toamasina kanjo izao hita faty tampoka izao. ny fanadihadiana nataon’ny dokotera nanao fizahana ny razana, mety ho vokatry ny tsy fahampian-drivotra tamin’ny boatin-drivotra nentiny nisitrika tany anaty ranomasina no nahatonga izao fahafatesany izao. Tsy mifidy hatelina ny ranomasina rehefa ankatoky ny faran’ny taona toy izao. Ho an’i Toamasina manokana, malaza ho maka olona hatrany ny ranomasina manamorona ny tobin’ny miaramila sy ny lycée Jacques Rabemananjara ary isan’ny lohalaharana ahitana fatin’olona maty an-dranomasina.
Sajo/J.C