Roa volana voalohany amin’ny taom-pianarana : sahirana ny mpampianatra, tsy mifantoka ny mpianatra

Miteraka olana ho an’ny mpampianatra sasany eny amin’ny EPP ny fiatoana isaky ny roa volana napetraky ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Mihena ny ora hianarana nefa ny ankizy tsy mifantoka loatra.

Miditra amin’ny roa volana faharoa ny fampianarana nanomboka omaly ary haharitra hatramin’ny 20 desambra ho avy izao. Ho an’ny sekoly miankina amin’ny finoana katolika, tsy nisy ny fiatoana, raha nahazo fialantsasatra herinandro kosa ny toeram-pampianarana mian­kina amin’ny fanjakana sy ny sekoly tsy miankina sasany. “Sahirana ny mpanabe eny amin’ny EPP ho an’ny roa volana voalohany amin’ny taom-pianarana, tsy mandray anjara loatra ny mpianatra fa mbola matoritory”, hoy ny ta­len’ny EPP iray ao anatin’ny Cisco Antananarivo Renivo­hitra. Mahatsapa koa ny mpanabe fa mety kokoa raha miverina ho isaky ny telo volana ny fitsinjarana ny taom-pianarana iray. Mihena ny fotoana hianarana satria herinandro ny faharetan’ny fiatoana isaky ny roa volana. Miteraka asa ho an’ny mpampianatra koa ny fikarakarana ny “bulletin” isaky ny roa volana hozaraina rehefa hiroso amin’ny fialantsasatra.
Mafimafy ny asa miandry ny mpanabe, indrindra ho an’ny kilasy hiatrika fanadinana, ny fandaharam-pianarana tsy maintsy vitaina manaraka ny lamina. Mitady fomba handrisihina ny ankizy hifantoka kokoa izy ireo nanomboka omaly. Olana anefa, mbola betsaka ireo tsy tonga nanatrika fampianarana fa taraiky any ambanivohitra niala sasatra. Ho an’ny kilasy sasany, 10 ireo nanapaka ho an’ny andro voalohany, omaly. “Tsy afaka miditra amin’ny lesona vaovao aloha raha tsy feno ny isan’ny mpianatra”, hoy ny fanamarihan’ny mpanabe.
Noho ny fanambarana na­taon’ny minisitry ny Fanabea­zam-pirenena, fa tokony hisitraka fampianarana avokoa ny ankizy rehetra indrindra ireo sahirana, 30 ny ankizy manaraka fampianarana maimaimpoana ho an’ity EPP ity. Nampitombo ny isan’ny mpianatra iray kilasy izy ireo.

Vonjy

Partager sur: