TOBY FITSABOANA Mère Marie Schinina : afaka mitrosa ny marary raha sahirana

«Tanjon’ny mpitantana ny Toby fitsaboana Mère Marie Schinina, ao amin’ny kaominina Imerina Imady, distrikan’ Ambositra, ny fitsimbinana ireo madinika tsy afaka mitsabo tena eny amin’ny hopitaly lehibe nefa tojo tsy fahasalamana», hoy ny tomponandraikitra voalohan’ny toeram-pi­tsaboana, masera Razafin­dravola Clothilde. Ampitro­saina aloha ny marary amin’ny fitsaboana ny aretina sy ny fividianana fanafody fa manatitra ny vola kosa ny fianakaviana rehefa manana eo an-tanana. Tsy ampy ny tahirim-panafody ao amin’io tobim-pitsaboana io ka voatery mampividy izay ilain’ny marary izy ireo. Ireo olona tratran’ny fahatapahan’ny lalandra no betsaka tonga manatona ny toby, isan’andro. Tsy marisika mandeha any amin’ny hopitaly, any Ambositra, izy ireo fa misafidy ny hanatona ny dispansera Mère Marie Schinina satria eo no mahazatra sady akaiky.
Ankoatra ny fandraisana an-tanana ireo marary avy any ivelany, mikarakara ireo marary hoditra (habokana) rehetra ao anatin’ny faritra Amoron’i Mania koa ry masera, ka ireo manana fahasarotana momba ny neurologie no maro anisa. Manana clinique momba ny fitsaboana ny aretina tiberkilaozy koa ry zareo, ka marary 32 amin’izao fotoana no tsaboina ao.

Vonjy

Partager sur: