INDRAY MIJERY

Araka ny tombana nivoaka ny taona 2018, amin’ny vehivavy 100 manao fitiliana ny vozon’ny tranon-jaza, fito no tratran’ny homamiadana amin’io taova io. Aretina mifandraika amin’ny fomba fiaina ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza noho ny tsimokaretina mifindra amin’ny alalan’ny firaisana ara-nofo, araka ny fanazavan’ny mpitsabo.

Tetikasa iarahan’ny minisiteran’ny Fam­pianarana teknika sy ny fanofanana arakasa amin’ny Eau Soleil Paca, ho an’ny taona 2023-2025, ny fanomezana famatsian-drano fisotro madio avy amin’ny masoandro ho an’ny LTP Sambava sy ny manodidina. Efa mandroso ny asa eo anivon’ny LTP Sambava, amin’izao fotoana izao. Hiantohana ny fahombiazan’ny tetikasa, ilaina ny mampiroborobo ny fampianarana ara-teorika sy ny fampiharana ho an’ireo mpiofana ao an-toerana. Mba hahafahana miantoka ny fifehezana ireo teknika mifanaraka amin’ny sehatry ny asa.

Hanatanteraka fandidiana maimaimpoana ho an’olon-dehibe ny CHU Anosiala, ny 25 hatramin’ny 29 novambra izao, iarahana amin’ny Malagasy sy vahiny mpandidy. Efa manomboka ny fisoratana anarana eny an-toerana, izay mifarana ny 15 novambra izao. Fandidiana hernie, hemorroïdes ary fistule périanale no hatao amin’izany.

Partager sur: