Tsy afaka manohy ny diany intsony ny Akio de Madagascar, sokajy cadet, eo amin’ny fiadiana ny “IHF Trophy”, taranja handball. Faharesena fanindroany no azon-dry zalahy. Mbola lavon’i Guinée indray teo amin’ny andro faharoa ho an’ny fifanintsanana isam-bondrona.
Tsy mihiratra ho an’ny Akio de Madagascar, sokajy cadet, mihitsy ny masoandro eo amin’ny fiadiana ny “IHF Trophy”, taranja handball. Mbola resy fanindroany indray ry zalahy nandritra ny andro faharoa amin’ ny fifanintsanana ho an’ny sokajy “A”. Fihaonana notanterahina omaly, tany Ethiopie.
Lavon’i Guinée tamin’ny isa mazava, 43 no ho 22, ry zalahy. Vokatra mametraka ny Akio, eo amin’ny laharana farany ary mihintsana. Tsy niady mihitsy ny fihaonana fa nanantombo tamin’ny lafiny rehetra ry zareo gineanina. Lehibe teo amin’ny vatana, matanjaka eo amin’ny valim-panafihana ary nampanano sarotra ny Malagasy ny fiarovantena. Vao teo am-panombohana dia efa nitarika tamin’ ny isa 5 no ho 1 ny gineanina. Sahirana ry Felicien kapiteny sy ny namany tamin’ny rodorodo nataon’ireo boaikelin’i Guinée. Tsy nahita vahaolana mihitsy namakiana ny vodilaharana gineanina. Tetsy an-kilany, sesilany ny baolina matin’izy ireo ka vetivety foana dia lasa 8 no ho 1 ny isa teny amin’ny solaitrabe. Tombony ho an-dry zareo gineanina rahateo ny mpiandry tsatoby. Voasakany avokoa mantsy ny ankamaroan’ny tifitra nataon’ny Akio de Madagascar. Teo amin’ny fidirana voalohany dia efa nitarika, 28 no ho 10, i Guinée.
Fizaram-potoana faharoa, tsy nanova fomba filalao ny gineanina fa nampijoro ireo mpilalao lava ka takona tanteraka ny lohalaharana malagasy nanoloana azy ireo. Nitohy hatrany ihany koa ny baolina matin’izy ireo ka nitaritany hatrany amin’ny 40 no ho 15. Efa tany amin’ny 5 mn farany vao hitan’ny Malagasy ny fomba nanakanana ny gineanina ka tsy nahafaty baolina intsony, saingy efa tara loatra izany.
Tompondaka