Nankalazaina ny alahady lasa teo, teny Imamba, ny faha-12 taonan’ireo mpanohana sy mpiara-miasa amin’ny klioba Rugby club tanora Soavimasoandro (RCTS). Ho fanamarihana izany, notokanana tamin’ny fomba ofisialy, teny an-toerana, ny kianja basikety, izay sady afaka hilalaovana volley-ball sy handball ary ny mini-foot. Nambaran’ny filohany, Andrianarisoa Avotra, fa hivelatra amin’ny taranja hafa ny klioba mba ho fanomezana sehatra ireo tanora manana talenta hafa ankoatra ny rugby. Manana tetikasa hafa ihany koa ny RCTS ka anisan’ny lehibe indrindra ny fanamboarana ivontoeram-piofanana ho an’ireo tanora, mba hahafahan’izy ireo miantoka ny hoaviny, indrindra eo amin’ny tontolon’ny asa. Tsiahivina fa mitotaly 350 mianadahy ireo ankizy beazina ao ka 131 ny seniors, 67 lehilahy ary 64 vehivavy. Manana mpilalao 4 mirahavavy mandrafitra ny Makis ny RCTS dia i Veronique, i Elinah sy Vachilly ary i Sahoby. Tsara ny mampahafantatra fa tohanan’ny Rugby French Flair ny RCTS. Nanome voninahitra ny lanonana ny tale jeneralin’ny fanatanjahantena, nisolo tena ny minisitra.
Fitia Randria