Tsy nitsanga-menatra ny klioba mpikarakara tamin’ny andiany voalohan’ny fifaninanana “Fight Cage”, notontosaina teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Taranja Jiujitsu Breziliana, pancrace ary K1 no nitranga nandritra izany. Teo amin’ny Jiu-jitsu, voahosotra ho ekipa mendrika ny Guerreros, mpikarakara, ary azon’i Riano (Guerreros) sy i Tafita (Guerreros) ny teknisiana mendrika indrindra, teo amin’ ny sokajy ankizy sy olon-dehibe. Nandrombaka ny “fair-play” kosa ny Combat Club. Teo amin’ny vokatra kosa, nahazo ny fandresena teo amin’ny fifaninanana “équipe avancé” ny Chekmat, raha toa ka norombahin’ny Guerreros avokoa ny teo amin’ny “équipe débutant” sy ny “équipe enfant”. Nisy ihany koa ny fifaninanana «exhibition» ka nahazo ny fandresena teo amin’ ny vehivavy, i Mitia (Chekmat). I Mathieu (Guererros) kosa no nandresy teo amin’ny lehilahy. Ady iraisam-pirenena tokana nitranga teny Mahamasina, ny teo amin’ny taranja Pancrace, izay nifandonan-dRazafinjato Totiana Rinho, tamin’ilay teratany Renioney, i Moussa.
Resy ity solontena malagasy ity, izay nifaninana teo amin’ny sokajy latsaky ny 80kg.
Mi.Raz