Halatr’omby : tompon’ omby sy jiolahy iray maty voatifitra

Notafihan’ny jiolahy ny to­kantrano iray tao amin’ny fokontany Bemasoandro, kaominina Vo­­himary Atsimo, Distrikan’i Vondrozo, afak’omaly. Voatifitr’ ireo dahalo teo amin’ny tratrany havanana ny tompon’omby ka maty ary lasan’izy ireo ny omby miisa telo. Nandositra avy hatrany ireo olon-dratsy taorian’izay. Tonga teny an-toerana nizaha ny zava-misy ny zandarimariam-pirenena any an-toerana taorian’izay. Nifanampy izy ireo sy ny fo­konolona ao an-tanàna ka na­nara-dia ireo dahalo sy ny rembiny.
Lavitra ny lalana ary feno ala mikitroka,  naraha-maso nandritry izany ny kizo rehetra mety handehanan’ireo jiolahy. Nifa­ne­na teo amin’ny toerana iray tsy hiditra amin’ny kizo ny mpanara-dia sy ny dahalo ka raikitra ny fifandonana. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Vo­kany, maty ny dahalo iray raha tafaporitsaka ny ambiny. Tafaverina tamin’ny tompony ny omby miisa telo avy eo. Mbola mitohy ny fikarohana ny dahalo ambiny tafatsoaka. Miandraiki­tra ny raharaha ny zandary ao Atsimo Atsinana.

Mino (Mpianatra Asa)

Partager sur: