Kick boxing – « Jungle War » : hisolo tena an’i Madagasikara i Cyborg sy i Joël

Hanainga anio, hihazo an’i Afrika Atsimo, hiatrika ny fifaninanana afrikanina “Jungle War”, taranja kick boxing, ny delegasiona malagasy. Atleta roa no hisolo tena an’i Madagasikara amin’izany.

Ny 9 novambra izao, ao amin’ny Emerald Casino, Vanderbijlpark Afrika Atsimo, no hanatanterahina ny fifaninanana “Jungle War”, eo amin’ny haiady kick boxing Full Contact. Hanana solon­tena roa lahy ny Malagasy. I Cyborg(-60kg), hifanandrina amin’ilay teratany Zimbaboia­nina eo amin’ny manasa-dalana sy i Joél(-54kg), hifandona amin’ ilay teratany Afrikana Tatsimo. Araka ny fantatra, nandritra ny fifaninanana Xtreme Combat natao farany, nokarakarain’ny klioban’ny Lion Force, no ni­fantenana azy roa lahy ireto. Nambaran’ny filohan’ny klioban’ny Lion Force, i Boto Gil­bert, fa anisan’ny nahazo « ceinture » tamin’iny hetsika iny i Cyborg, raha nivoaka ho mpandresy kosa i Joël. Zava-dehibe ity fifaninanana ity satria firenena maro no handray anjara ary tafiditra amin’ny fiadiana ny tapakila amin’ny “Combat pro” izay hatao any Los Angeles, amin’ny taona 2025. Mbola hi­verina hiady any Afrika Atsimo i Cyborg sy i Joël, raha tafavoaka mpandresy amin’io, hiady “ceinture”. Ankoatra izay, mbola manana solontena
7 mianadahy ihany koa i Ma­dagasikara, hiatrika ady matihanina any La Réunion, izay hatao ny 14 desambra ho avy izao. Atleta sangany avokoa izy ireo, ahitana an’i Franck
(-75kg), Fabrice(-67kg), Dom (-63kg), Tsila(-63kg), Cyborg (-54kg) ary Fahendrena (-65kg) sy Larissa (-62kg) no vehivavy. “Miroso mankany amin’ny matihanina ny Malagasy mpikatroka”, hoy i Boto Gilbert, ka miantso hatrany ireo malala-tanana hitondra fanohanana satria voninahi-pirenena no arovan’ireto atleta ireto any ivelany. Nohamafisiny fa mianto-tena hatreto ny Lion Force man­defa ny atleta mifaninana any ivelany.

Mi.Raz

Partager sur: