Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, tetsy Anosy, ny jobily faha-50 taonan’ny MFM. Anisan’ny nitondran’izy ireo ny heviny ny momba ny fifidianana sy ny fiainam-pirenena.
Hentitra ny filoha nasionaly vonjimaika, Rakotovazaha Olivier, manoloana izany. “Mila diovina aloha ny tokontany ilalaovana vao miresaka fifidianana isika mba tsy ahatongavana amin’ny ra aman-driaka sy fifandonana”, hoy izy. Nanteriny fa tsy araka ny tokony ho izy ny fanavaozana ny lisi-pifidianana amin’izao fotoana izao. Takin’izy ireo, noho izany, ny hitarihan’ny olomboafidy eny anivon’ny fokontany, miainga amin’ny fifidianan’ny fokonolona amin’ny fanisana sy fanavaozana ny lisitry ny mpifidy. “Tokony hampadio azy izany fomba fiasa izany”, hoy ihany izy. nambarany fa hirotsaka amin’ny fifidianana ny Mafana rehefa madio ny tokontany ary handraisan’izy ireo anjara, manomboka eny anivon’ny fokontany hatrany amin’ny filoham-pirenena izany. Notsindriny koa fa niady ny hanatsarana ny lalàm-pifidianana izy ireo, efa ho roa taona izao. “Tsy nohenoina izany fa mitady tetika handrombahana fahefana amin’ny alalan’ny fifidianana tsy madio ny mpitondra. Afa-nenina izahay ka ho hita eo ny hitranga”, hoy izy.
Natsidiny koa anefa, ho avy ny fotoana hialana anaty fahantrana ka hirosoana amin’ny fahombiazana.
Adilahy sy fanjanahantany…
Anisan’ny ahatongavana amin’izany ny fotokevitry ny MFM. Anisan’izany ny fialana amin’ny adilahy politika sy ny fanjanahantany amin’ny endriny teo aloha sy vaovao. Mila miaina ny fahafahana sy tsy fehezin’ny hafa isika. Notanisainy tamin’izany ny hifehezana ny fampandrosoana miainga amin’ny harena azo trandrahina eto amintsika, amin’ny alalan’ny herintsika sy ny vola ariary eo an-tanantsika izany, araka ny nambarany.
Nanambara kosa Rakotoniaina Pety fa anisan’ireo nandalo teo anivon’ny MFM ny tenany izao miara-midinika izao. Fanamby ny hanohizana ny adidy sy tolona napetraky ny ray aman-dreny, Rakotonirina Manandafy sy Rakotonirainy Germain amin’izy ireo ka niantsoany ireo efa nandalo Mafana amin izao faha 50-taona izao. “Betsaka ny andrasantsika sy ny vahoaka, manomboka eto…”, hoy izy.
Tsiahivina fa niatrika izany ny avy amin’ny Tim, Arema, HVM…
Synèse R.