Hitondra fiovana sy fampandrosoana marolafy any amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny ny ho fahavitan’ny tetikasa famatsian-drano “Efaho Mandrare Sampona”. “Hohafainganina ny asa”, hoy ny minisitry ny Rano.
Nijery ny fandrosoan’ny tetikasa pipeline “Efaho Mandrare Sampona” ny minisitry ny Rano, fanadiovana ary fidiovana, Andrianamelasoa Lalaina. Nijery ny sakana sy nanome vahaolana amin’ny fanatanterahana ny asa ny ekipa. Niaraka taminy ny governoran’ny faritra Anosy, Rakotovelomanantsoa Voahary, amin’ny maha tomponandraikitra voalohany azy eo anivon’ny faritra.
Hitondra fampandrosoana ho an’ny faritra Atsimon’i Madagasikara ny fahavitan’io tetikasa famatsian-drano io. Hanova zavatra betsaka ary hisongadina ny vokatra rehefa tena am-perinasa ny fotodrafitrasa manontolo.
Miroso hatrany, araka izany, ny tetikasa ho famatsiana rano fisotro madio sy fidiovana any an-toerana. Hahenika ireo tanàna 40 ao amin’ny faritra Anosy, 20 kosa ho an’ny faritra Androy.
Nanome toromarika ny minisitry ny Rano ny mba hanafainganana hatrany ny asa satria filan’ny vahoaka ny rano no sady vinan’ny fanjakana ho an’ny tapany Atsimon’ny Nosy.
Tetsy andaniny, nisy ny sonia fifanekena teo anivon’ny minisiteran’ny Rano, fidiovana sy fanadiovana, niarahana tamin’ny faritra Anôsy, sy ny orinasa Rio Tinto QMM ary ny kaominina an-drenivohitr’i Taolagnaro, miaraka amin’ ny Jirama.
Fanatanterahana ireo vahaolana vonjimaika amin’ny fanatsarana ny famatsian-drano ao Taolagnaro no natao tamin’izany.
Tafiditra ao anatin’ izany ny fanarenana ny tobim- pamokarana rano eny Lanirano sy ny fanamboarana fitaovana maromaro hamokarana rano fisotro madio.
Ain-dehiben’ny mponina ny fananana rano madio fisotro sy rano hanondrahana ny fambolena ka nataon’ny governoran’Anôsy ho laharam-pahamehana.
Tatiana A