Hitondra ny anjara birikiny ho an’ny tanora toa azy ireo ny vondrona maintimolalin’ny fandaharanasa fifanakalozan’ny governemanta amerikanina, izay tarihin-dRanoelimanana Dimby. Fanombohana ny tetikasa « Emerging Malagasy Changemakers » izany.
Tanora mpitarika 30, eo anelanelan’ny 20 ka hatramin’ny 30 taona, avy any Toamasina, Antananarivo, ary Mahajanga, no hampiofanina amin’ny sehatry ny fandraharahana, ny fitarihana ary ny fahaiza-mitantana.
Fiofanana ana habaka mandritra ny roa herinandro, arahina fampiofanana mivantana mandritra ny efatra andro, eto Antananarivo, no hanombohana ny tetikasa. Hahazo torolalana sy fanohanana izy ireo avy amina manam-pahaizana manokana iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana, indrindra avy amin’ireo maintimolalin’ny fandaharanasa fifanakalozan’ny governemanta amerikanina.
Hianarany koa ny fandrindrana tetikasa eny ifotony manohana olona 100 farafahakeliny eo amin’ny vondrom-piarahamonina misy azy.
Mikendry ny hahafahan’ireo tanora malagasy mianatra mandray an-tanana ny hoaviny izao hetsika izao.
Tatiana A