Hizara ny olana sedraina sy hiofana : hihaona ireo mpitantana tobim-panafody

Hanao fivoriana eto Antananarivo ny mpikambana ao amin’ny Groupement professionnel des dépositaires de médicaments de Madagascar mandritra ny roa andro, eny Ankazomanga, rahampitso sy zoma ho avy izao. Io ny fanazavan’ny filohany, Razafi­manantsoa Nandrianina, oma­ly, teny Ankazomanga. Maro­maro ny lohahevitra hodinihina, iarahan’ny mpikambana manerana ny Nosy. Anisan’ izany ny fivoaran’ny asa ma­naraka ny vanim-potoana, ny fampitam-baovao samihafa ho fanatsarana ny fihariana. Sehatra matihanina ny fitantanana tobim-panafody ka hifehy ny fikajiana ny hetra miaraka amin’ny tomponandraikitra misahana izany izy ireo.
Hibahan-toerana koa ny fizarana ny olana sedrain’ny depositaire de médicaments miasa any ambanivohitra. Mpifaninana amin’izy ireo any amin’ny toerana tsy misy lalana na anjakan’ny tsy fandriampahalemana ny mpivarotra fanafody tsy ara-dalàna ka sarotra ny fanaraha-maso. Efa misy ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka hiadiana amin’ireo tsy ara-dalàna ireo, raha ny fanamarihany. 1 400 ny mpitantana tobim-panafody manerana ny Nosy ary mampiavaka azy ny fisahanana ny tontolo ambanivohitra raha amin’ny tanàn-dehibe no ahitana ny farmasia.
Mandritra ny fihaonana koa ny hiofanana, hanatevenana ny fahaiza-manao sy hifanakalozana traikefa.

Vonjy

Partager sur: