Mba tena ho tompon-draharaha na any lavitra aza. Nirary soa ny vahoaka Malagasy noho ny taona vaovao ny Vovonana miara-dia, ahitana antoko sy fikambanana politika maro, eo anivon’ny Diaspora, tarihin-dRasamimanana Hilarion. Natsidik’izy ireo fa hiatrika fifidianana isika. Maromaro ireo fanirian’izy ireo. Eo ny fangatahana ny haha kandidà indray ny filoha Rajoelina. Maniry izy ireo mba homena lanjany, ny Zanaka am-pielezana any an-dafy amin’ny fampandrosoana sy ny raharaham-pirenena. “Hanamafy ny fandraisana anjaranay ho an’ny tanindrazana izany. Eo koa ny tokony hananganana faritra vaovao, faha-24, mamaritra ny faritra honenan’ny Malagasy rehetra aty ivelany”, hoy ihany izy. Ilaina izany hametrahana ny Diaspora ao anatin’ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, hanampy ireo faritra 23 aty an-toerana, araka ny nambarany.
Nanteriny fa mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena izy ireo amin’ny alalan’ny famatsiana ara-bola ireo havana any an-tanindrazana. Maro koa ireo manam-pahaizana te handray anjara amin’ny fampiroboroboana ny toekarena, araka ny nambarany hatrany. Anisan’ny antony nitakin’izy ireo ny zo ahafahana mandray anjara mivantana amin’ny raharaha aty izany.
Ministeran’ny Diaspora
Miandrandra ilay fampanantenana ny ahafahana mifidy koa izy ireo, ankoatra ny fametrahana minisitera manokana hiahy ireo Diaspora, tahaka ny fanaon’ireo firenena Afrikanina.
Etsy andaniny, niantso ny rehetra ny Diaspora mba hiainana tokoa ny fihavanana ka hifanome tanana hampandroso ny firenena. “Aoka hatsahatra ny endriky ny fisaratsarahana ary ho ao anatin’ny fifanajana no anaovan’ny mpanohitra ny fanoheran’izy ireo”, hoy izy.
Synèse R.